Ireto ny fitsipika sy fepetra mihatra amin’ny fampiasana ny plateforme
plins-app.com amin’ny maha-mpividy.
1. Mombamomba ny kaonty
Ny mpividy dia tsy maintsy mampiasa numéro de téléphone marina sy azy rehefa mampiasa ny plateforme.
Ny mpividy dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny informations ahafahana miditra
amin’ny kaontiny-ny ary tsy tokony hizara izany amin’olona hafa.
2. Kaomandy
Rehefa mandefa kaomandy, dia heverina ho fikasana tena hividy ilay entana izany fa tsy andrana fotsiny.
Ny mpividy dia tokony hanamarina tsara ny entana, isa,
adiresy anaterana azy ary ireo informations hafa alohan’ny hanamafisana ny kaomandy.
3. Fandoavam-bola
Misy ny fandoavam-bola en ligne avy amin'ireo prestataire miara-miasa amin'ny plateforme toy ny
Goalpay (misy Mvola sy Orange)
Ny Paiement à la livraison dia mety ho hita na tsia arakaraka ny safidin'ny mpivarotra.
4. Famerenam-bola (Remboursement)
Ny mpividy dia afaka mangataka remboursement ao amin’ny plateforme
raha toa ka mbola tsy no-accepté-n’ny mpivarotra ilay kaomandy.
Ny remboursement aorian’ny faneken’ny mpivarotra ny kaomandy dia mety hitranga amin’ireto tranga manaraka ireto :
- Manaiky ny remboursement ny mpivarotra
- Misy fitarainana (litige) momba ny entana ka ny mpividy no nahazo rariny
Ho an’ny commande mbola pending, ny delai de remboursement dia vitaina ao anatin'ny 3 ora
raha azo tanterahina ara-teknika.
Ho an’ireo tranga hafa, ny délai de remboursement dia miankina amin’ny toe-javatra sy ny traitement an’ilay dossier.
Totalin'ny vola ho remboursena
- Frais de transfert mobile money = x
- Commission de prestataire de paiement (actuel) : 3%
- Commission du plateform = 2%
- Total remboursé = Total Argent - (3% + frais mobile money +2%)
Ohatra : 100 000 Ar ny totalin'ny kaomandinao ho remboursena
- commission de prestataire 3% = 3 000 Ar
- frais mobil money = x
- Commission plateform 2% = 2 000 Ar
Rehefa hiremboursé an'io ny plateforme dia toy izao
Remboursé = 100 000 Ar - (3 000 Ar + x + 2 000 Ar)
5. Litige
Mbola tsy afaka manokatra litige aloha atreto raha sendra olàna
Raha misy olana ny entana voaray, ny mpividy dia afaka manokatra litige
amin’ny alalan’ny plateforme.
Ny litige dia mety mahakasika ny :
- Entana tsy mifanaraka amin’ny commande
- Entana simba
- Na olana hafa mifandraika amin’ny commande
Ny plateforme dia afaka mandray anjara amin’ny maha-mpanelanelana eo amin’ny
mpividy sy mpivarotra mba handinihana sy hamahana ny olana.
6. Porofo hamahana ny olana mety hisy
Mandritra ny famahana ny olana, ny mpividy dia manaiky hanome porofo mazava
sy marina izay ilaina amin’ny fanadihadiana.
Mety ho tafiditra amin’izany :
- Sary
- Vidéo
- Cpture d’écran
- Informations momba ny commande
Ny fanomezana porofo sandoka na niniana novaina dia mety hitarika amin’ny
fandavana ny fangatahana ary mety ho hatramin'ny fanidiana ny compte.
7. Procédure sy fanapahan-kevitra momba ny litige
Ny mpividy dia manaiky hanaraka ny procédure de litige napetrak’i plateforme ary
hanome ireo informations ilaina amin’ny fanadihadiana.
Ny mpividy dia manaiky ny hampihatra ny procédure sy ny fanapahan-kevitra
raisin’ny plateforme.
8. Fampiasana tsy ara-dalàna sy fanidiana compte
plins-app.com
dia afaka mampiato na manidy compte iray raha misy :
fraude,
tentative de fraude,
abus,
fampiasana tsy ara-dalàna ny plateforme,
fanomezana informations diso niniana natao,
na fandikana ireo CGU sy fitsipika mihatra amin’ny plateforme.
12. Fanovana ny CGU
Ny plateforme dia afaka manampy, manova, manavao na manala ampahany amin’ireto CGU ireto rehefa ilaina,
indrindra rehefa misy fiovana amin’ny fonctionnement an’ny plateforme, ny services na ny obligations légales.
Ireo fepetra ireo dia natao hiarovana ny plateforme, ny mpividy, ny mpivarotra ary ny transactions.
Nohavaozina ny 13 Septambra 2026